Nisesisesy tokoa ny loza an-dranomasina izay tato ho ato. Vao andro vitsivitsy lasa izay no nisy lakana rendritra ka nahafaty olona dim tany Anosibe an’Ala dia fantatra izao fa ny faran’ny herinandro teo, lakana iray indray no dobo rano tao amin’ny vinanin’i Sohihy, ao amin’ny kaominina Masomeloka. Vokany, olona enina tamin’ireo mpandeha no namoy ny ainy, ary mbola misy roa tsy hita popoka hatramin’izao. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary, dia sambo mpitondra entam-barotra , izay nampitohy an’i Mahanoro ary hihazo an’ Ambavasahavato ity lakana niharan-doza ity. Olona 11 no nentin’ilay lakana tamin’io fotoana io niaraka tamin’ireo entana marobe. Olona telo sisa araka izany no avotra soa aman-tsara ary anisan’izany mpanamory ilay sambo. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina tany ho any no nitranga ny loza, raha ny loharanom-baovao hatrany. Raha handeha hamakivaky io vinany io ilay lakana no nitrangana olana ara-teknika tampoka teny ambony ranomasina teny. Maty ho azy mantsy ny môtera nanosika izany fitavaom-pitaterana izany. Ka tsy nahatosika intsony ny faherin’ny onja teo amin’ilay vinany, hany ka dobo rano sy rendrika no niafarany. Samy niezaka izay nahazoany ny morona ireo mpandeha saingy indrisy fa olona telo monja no tody soa aman-tsara teny. Ny maraina moa, araka ny tatitra hatrany vao nisy nampandre ireo tompon’andraikitra ka anisan’izany ny zandary tao amin’ny borigady Masomeloka, izay nidina teny an-toerana avy hatrany. Nidina teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ihany koa ireo tompon’andraikitra avy amin’ny zandary ao Vatomandry, niaraka tamin’ny Talen’ny Ampf, na ny sampan-draharahara misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ary ny lefitrin’ny Sefo distrika ao Mahanoro. Hatramin’ny naharaisanay ny vaovao dia mbola mitohy hatrany ny fikarorahana ireo olona roa mbola tsy hita. Efa samy nomena ny havany kosa ireo razana efa tonga an-tanety. Tetsy an-danin’izay moa dia fantatra fa notazomina nanaovana fanadihadiana ilay mpanamory an’ity sambo rendrika ity.
m.L