- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMpitora-bato fiara nahazo fahafahana : Tsy faly ny zandary, manambana ny hitokona...

Mpitora-bato fiara nahazo fahafahana : Tsy faly ny zandary, manambana ny hitokona ireo mpitatitra rehetra amin’ny RN2

Nihitatra lavitra ilay raharaha mikasika ireo mpitora-bato 5 tamin’ireo 11 voasambotry ny zandary navotsotry ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny alarobia 22 novambra teo, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana. Ho an’ny zandary nisahana ny raharaha sy nanao ny ainy tsy ho zavatra nisambotra sy nanao ny fanadihadiana ifotony rehetra, noho ny fitarainana am-polony voarain’izy ireo tato ho ato, dia tsy faly izy ireo satria nambaran’izy ireo fa tena tsy misy mihitsy ny fiaraha-miasa amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana tompon’andraikitra farany. Noho izany dia nambaran’ny zandary, fa tena tompo-marika amin’izay zavatra hitranga amin’ny lalam-pirenena faha-2 ao Brickaville ny fitsarana, saingy tsy hiraviravy tanana ny zandary, fa hanao hatrany ny asany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tsy ireo zandary ihany no tsy faly tamin’ity didin’ny fitsarana, fa ao koa ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-02 manana ny fiara simba sy mpandeha maratra. Nisy noho izany ny fihaonambe nataon’ireo filohana kaoperativa sy fikambanana mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faha-02, ny sabotsy teo, hisy hetsika hanehoan’izy ireo ny fahatezerany amin’ny fitokonana mandritra ny andro tsy voafetra mba ho fanairana ny mpitondra sy ny fitsarana amin’ity herinandro ity amin’ny zava-doza iainan’izy ireo izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici