Sarin’olona tsy eto an-toerana, no ampiasain’ireo mpanao kaonty hosoka (compte fake) amin’ny tambajotra sosialy, mba hoentina hanapotehana anaran’olona na koa hanaratsiana ny lazan’ny olona iray ary indrindra mba hidirana amin’ny fiainany manokana. Mahazo vahana izay tsy izy izany ankehitriny ary raha ny re aza, dia efa lasa asa andavan’andro izy ity .Manana birao ireo mpiandraikitra izany fanaratsiana izany ary tena tsy famenon’asa fa asa hamelomana ny vady aman-janaka io asa ratsy io. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia diso fiantefa ihany ireo olona raha nanaratsy ny tompon’ny kaonty facebook iray izay sahy nanao fanadihadiana sy nitondra ny raharaha teny amin’ny sampana miandraikitra izany. Rehefa nandeha ny fampiasany amin’ny lalindalina kokoa ny tranonkala sy ny fampiasany ny tambajotrany, dia nivoaka teo ary fa sarin’olona hafa mihitsy no nampiasain’ny olona izay nanaratsy azy sy niditra tamin’ny fiainany manokana tamin’ny facebook. Namaly ilay olona izay nangalarina sary ary voaporofo teo, fa malagasy mipetraka any ivelany izy io. Nanamora ny fitoriana izany, satria any dia mazava kokoa ny lalàna no sady mafonja koa ny sazy, ary indrindra hinoan’ny mpandrindra ny tambajotra sosialy, ny foiben’ny facebook izany eto kokoa. Ny eto amintsika mantsy hatreto raha ny zava-nisy tato ho ato, dia mbola izay manaratsy ny politikam-panjakana na koa ny olom-panjakana no tena nosamborina sy niharan’ny lalàna. Betsaka anefa ireo olon-tsotra izay maneho hevitra ary ompa variraraka sy fanambaniana no valin’izany. Efa misy ihany ny sampana miandraikitra ny heloka izay atao amin’ny tranonkala, saingy tsy tena mazava aloha hatreto ny andraikiny ary mbola betsaka koa ny mahafantatra azy. Vokatr’izany, dia na miafy ny olona na koa tsy te-hivezivezy dia aleo fafana fotsiny ny ompa sy ny fanaratsiana. Na izany aza anefa, dia misy ady izay mandeha eny amin’ny fitsarana amin’izao fotoana ary rahampitso aza dia hisy didy hivoaka momba izany. Mahakasika fanaratsiana sy fifampihantsiana hatrany teny amin’ny tambajotra sosialy hatrany izany. Azo deraina ny fanombohan’ny fahasahian’ny olona mitondra ny raharaha lavidavitra kokoa, satria ny fiainana manokana izany, dia tsy azo tsabahana ary indrindra ny voninahitry ny olona dia tsy azo potehina.
D.R