- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha mpitora-bato ao Brickaville : “Ny lalàna no mifehy ny mpitsara amin’ny...

Raharaha mpitora-bato ao Brickaville : “Ny lalàna no mifehy ny mpitsara amin’ny didy raisiny”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna

Hevitra maro no nivoaka taorian’ilay raharaha nahazoan’ireo olona dimy fahafahana vonjimaika, taorian’ny fahatraran’ny zandary azy ireo noho ilay fitoraham-bato fiara ao Brickaville tamin’ireo 11 voasambotra, ka enina ihany no nahazo famonjana vonjimaika am-ponja eto Toamasina. Taorian’iny raharaha iny mantsy dia nampiaka-peo avokoa na ireo zandary nisahana ny raharahan fa tompo-marika amin’izay zavatra hitranga ao Brickaville sy ny amin’ny lalam-pirenena faha-2 ny mpitsara, hoy ny zandary. Ireo mpitatra ihany koa dia nanasoketa ny fitsarana ho mpanao kolikoly na tsy nivantana aza ny nanambaran’izy ireo izany, ka mahatonga azy ireo hanambana fitokonana ny alarobia izao, mbola hotapahana anaty fivoriam-be ny hetsika hataon’izy ireo. Ao anatin’izay anefa dia tranga maro no niseho taorian’ny nahazoan’ireto dimy mianadahy fahafahana, ka ny iray izay vavy tokana voalaza fa mpanarama ireto mpitora-bato koa isan’izany. Isan’izany ny nikasan’andian’olona namaky ny onjam-peo sy ny fahitalavi-panjakana tao Brickaville, sy ny fahamaizan’ny tranon’ny mpiasan’ilay vehivavy mpanarama mpitora-bato, ny sabotsy teo. “Malalaka amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitsara mpanao famotorana, arakaraka ny antontan-taratasim-panadihadiana tonga”, hoy ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina, Atoa Lauret Rajaona Thierry. Nomarihany hatrany fa “ny lalàna no mifehy ny mpitsara amin’ny didy avoakany fa tsy manaotao foana akory izy ireo amin’ireo didy raisiny”. Ho an’ity tonia mpampanoa lalàna sady solontenan’ny mpitsara eto Toamasina eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny fitsarana ity, dia ny tsy fahazavan’ireo nolazaina fa nokaraman’ity vehivavy iray ity nandritra ny fakan’ny mpitsara famotorana am-bavany azy ireo ho voakarama no nivoahan’ny didin’ny mpitsara nihazona ny antontan-taratasin’ady; satria resaka “fanaovana fikamban-jiolahy sy firaisana tsikombakomba” avokoa no manenjika azy 06 miarahaly “MD”, ka ankizilahy 15 taona ny iray sy ireo 05 “LP”. Ankoatra izany, naharitra adiny iray sy sasany ny fihaonana teo amin’ny tonia mpampanoa lalana, ny talen’ny filaminam-bahoaka eto Toamasina, ny komadin’ny fari-piadidian’ny zandary eto Toamasina, ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ary ireo mpitsara mpanao famotorana roa nisahana ny raharaha mpitora-bato ao Brickaville, noho izy nisy ankizilahy tsy ampy taona. Ny fomba hisahanana ny resaka fitoraham-bato fiara ao Brickaville no laha-dinika tamin’izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici