Jiolahy raindahiny iray ,izay mirongo fitaovam-piadiana rehefa manafika, toy ny ,basy ,sabatra ary efa nahafaty olona ihany koa, no saron’ny polisim-pirenena ny zoma faha-24 novembre 2017 teo, tao Antsahalava Ambatondrazaka , izay tovolahy vao mananiky ny 20 taona monja ary efa jiolahy ikoizana sahady. Manao fanamiana mpitandro ny filaminana ity jiolahy ity rehefa manafika miaraka amin’ny namany ,ary saika tafiditra amin’ireo asan-jiolahy sy fanafihana teto Ambatondrazaka tato ho ato izay nahafatesana ain’olona hatrany , izay mitondra ny anaram-bositra hoe « Zaka Lava « .Tao amin’ny tranon’ny lehiben’ny faritra teo aloha izy no nanafika farany izao sarona izao ,izay nampihorohoro ny vady aman-janaky ny lehiben’ny faritra ,ka lasa tamin’izany ireo entana sarobidy maro sy ny vary amin’ny gony ka nanaovan’itsy farany fitarainana ka izao sarona izao. Tsy mivoaka antoandro intsony ity jiolahy ity noho izy efa matetika misazy , ary milefa rehefa voasambotra, ka efa fantatry ny mpitandro ny filaminana ny endriny Mandositra any Moramanga na Toamasina izy rehefa mahavita ny asa ratsiny eto Ambatondrazaka . Araka ny nambaran’ny kaomisera Rakotozandry Camille dia mbola karohina ireo namany sy ny fitaovam-piadiana fampiasan’ireto jiolahy ireto amin’izao fotoana izao ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
Janus R