# Razana miisa 140 no indray nanjavona tao amin’ny fasana iray tetsy Soavinimerina. Vitsy kely sisa ny razana tavela tao am-pasana ary ireo taolana tsy nilain’ireo olon-dratsy dia natsipitsipiny fotsiny tao anatiny tao. Kivy tanteraka ny tompom-pasana manoloana ny zava-nitranga. Mizotra hatrany mankaty an-drenivohitra ity fanao ratsy ity.
# Gaga ny olona tao Sainte-Marie sy Mahajanga raha nahita ireo vahiny « be lamba » maro izay nitanjozotra nitondra entana sy tsy fantatra izay halehany. Tsy ela ihany koa dia niparitaka ny sary ary tsy mifanalavitra amin’ny mpitsoa-ponenana nosamborina teto an-drenivohitra izy ireo. Ny mahatalanjona dia tsy misy fanazavana avy amin’ny fanjakana intsony, io farany izay nanameloka ny gazety ho mpandainga raha niteny fa hisy mpitsoa-ponenana marobe hiditra eto Madagasikara
# Mpizaha tany roa no very vola vahiny sy fitaovana tany Antsalova. Izy ireo dia tonga mba hijery ny Tsingy de Bemaraha. Rehefa nody tao amin’ny hotely nipetrahany anefa dia tsy nisy tao intsony ireo fananana voalaza etsy ambony. Ny varavarana anefa amin’io tsy nopitsohina. Nisy fanadihadiana nosokafan’n y zandary momba ity halatra manimba ny lazan’ny fizahan-tany eto amintsika ity.
D.R