Miparitaka ny taolam-paty, mirongatra ny vaky fasana amina faritra maro. Taolam-paty iray gony, milanja 60 kilao indray no nisy nanary tao amin’ny Fokontany Tsararano Nosikely, ka zaza sendra nilalao no nahita izany ny asabotsy hariva teo tokony ho tamin’ny dimy ora. Nikiakiaka niantso ny manodidina ity zaza ity. Rehefa nampandrenesin’ny ny tompon’andraikitra tao amin’ity Fokontany ity ny mpitandro filaminana, nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy ny niaraka tamin’ny BMHS. Taolan-dava sy taolam-pohy avokoa ireto narian’olon-tsy fantatra ireto. Araka ny tati-baovao voaray, dia nisesisesy hatramin’ny fiandohan’ ity taona ity ny fahitana taolam-paty miparitaka ao Mahajanga tampon-tanàna. Raha ho an’ny BMHS manokana, ity no tranga fanimpolony nandalo tamin’izy ireo amin’ny raharaha taolam-paty misy manary. Raha ny nambaran’ireo manam-pahefana any an-toerana kosa, tsy misy mpividy akory ny taolana fa fandrebirebena sy endrika fisolokiana goavana hakana vola amin’ny manambola izy ity, ka rehefa tsy ahitana mpividy ireo taolam-paty dia ariana toy izao.
Eric Manitrisa