- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Andiana mpanendaka voasambotry ny pôlisy

67ha : Andiana mpanendaka voasambotry ny pôlisy

Azo lazaina fa nilamindamin-tsaina ireo mponina eny amin’iny faritra 67ha iny tato ho ato, taorian’ny hetsika nataon’ireo polisin’ny boriborintany, sy ireo hery vonjy taitra manokana eo anivon’ny pôlisy, ho famongorana ireo mpanendaka eny amin’iny faritra iny. Raha ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo tokoa mantsy dia andiana mpanendaka am-polony maro no efa voasambotra tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny tamin’ny alahady ka hatramin’ny talata teo, dia efa tontakely valo lahy, raindahiny amin’ity asa ratsy ity no voasambotr’izy ireo. “Ny telo lahy tamin’izy ireo dia voasambotra ireo polisy manao fanamiana sivily teny amin’ny faran’ny taxi be 119 hatreny amin’ny « mpivarotra ravitoto » amin’ny resaka fanendahana sy hala-botry. Ny efadahy kosa izay tsy ampy taona avokoa dia tratra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny teny amin’ny faritra Antsalovana iny. Miafina ao ambanin’ ny tetezana akaiky ny Jesosy Mamonjy eo moa ry zareo ireto ka rehefa misy olona mandalo dia arahin’izy 4 miralahy. Rehefa tonga eo anelanelan’ny « Maxime » sy « Parking 67 Ha » ilay olona dia manao ny asa ratsiny amin’izay ireto farany. Ilay lehilahy iray tratra kosa dia tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny teo akaikin’ny hotel Baobab. Roa lahy izy ireo no saika hanendaka ramatoa iray. Ny iraika lahy maka an-keriny ny poketran’ilay ramatoa ary ny iraika lahy kosa manambana azy amin’ny antsy lava” hoy ny voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Isan’ny mampimenomena sy mampiferin’aina ny rehetra tokoa, raha ireo toerana voalaza etsy ambony ireo. Saika efa fantam-poko ary hitan’ny rehetra ireto mpanao ratsy ireto saingy tsy misy sahy manoro azy amin’ireo mpitandro filaminana noho ny tahotra. Tsy menatra ny mamono sy manatrobaka antsy izy ireo raha vao misy sahy manohitra. Soa ihany araka izany fa teo ity tetik’ady manokana nentin’ny pôlisim-pirenena ity. Inoana sy mba hirarian’ny rehetra araka izany ny fitohizan’ny ezaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici