Nidina ho iray alina Ariary ny vidin’ny lodsia iray garaba ao Fianarantsoa, raha 16 000 Ar izany tamin’ny herinandro lasa teo. Noho ny fahavitsian’ireo mpivarotra antsinjarany mividy io voankazo io eo am-pahatongavan’ ny fiarabe mitatitra sy mampiakatra ny vokatra avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana no anton’izany, araka ny nambaran’ireo mpitatitra. Nilaza ho maty antoka ireto farany noho ny faharatsian-dalana nefa ny vidin-tsolika mitombo. Noho ny fiatoan’ ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est) mampitohy any Manakara sy Fianarantsoa hatramin’ny 16 oktobra 2017 lasa teo, satria ao anatin’ny fanatanterahana ny andrana ho fampiasana ny motera vaovao mampandeha ny lamasinina ny orinasa io amin’izao fotoana izao, dia mikatso ary simba daholo ny vokatra tokony hivoaka amin’ireo faritra manamorona ny lalamby vokatry ny tsy fisian’ny fitaterana azy ireny, ka mampitaraina an’ireo tantsaha, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa