- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversVondrozo : Miaramila iray sy sivily roa matin’ny dahalo

Vondrozo : Miaramila iray sy sivily roa matin’ny dahalo

Nitrangana halatr’omby maherivaika tao amin’ny distrikan’i Vondrozo ny talata teo. Tamin’ny 2 ora maraina, dahalo 20 lahy mirongo basim-borona no nanafika tao amin’ny tanàna atao hoe Karimbelo, ao amin’ny kaominina Agnandravy. Tonga izy ireo mba handroba omby 40. Nisy ny fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ny miaramilan’ny DAS ao an-toerana. Vokany, miaramila mitondra ny grady kilasy faharoa antsoina hoe Zafivoavy Tsikivy Alain miasa ao amin’ny kaompania faha-213 Itrotroka sy sivily roa no lavo, maty voatifitry ny dahalo. Very lasan’ny dahalo tamin’izany ihany koa ny basy Kalachnikov miaraka amin’ny « boîte chargeur » iray misy bala miisa 28. Arak’izany, tafatsoaka niaraka tamin’ny omby ireo dahalo. Efa nidina any an-toerana ary manohy ny fanarahan-dia ny Zandary sy ny miaramila avy ao amin’ny kompania faha-213 tarihan’ny komadin’ny Kaompania ny Zandarimaria ao Farafangana. Nitranga izao fanafihana izao ao anatin’ny fidinana ifotony ataon’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena eo anivon’ny Fiarovam-pirenena any amin’iny faritra Atsimo-Atsinanana iny. Fidinana ifotony voalaza fa tafiditra ao anatin’ny ezaka ho fampadriana fahalemana ny manerana ny Nosy. Io Talata io dia voalaza fa tany amin’ny Kaominina Manambondro ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano no nanatanterahana izany. Miadryzavatramivaingaamin’izanynyvahoaka.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici