- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMalaimbandy : Nadoboka am-ponja ny dimy tamin’ireo mpaka an-keriny

Malaimbandy : Nadoboka am-ponja ny dimy tamin’ireo mpaka an-keriny

Andian-jiolahy mpaka an-kery no voasambotra ny zandary tany Malaimbandy. Nadoboka am-ponja avy hatrany moa ny sasany tamin’izy ireo rehefa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Tsy ny karàna ihany hatreto  fa na hatramin’ny terantany malagasy aza izao dia mety hiharan’ny fakàna an-keriny. Toy ilay nitranga tany Malaimbandy rehefa nisy olona nalain’ny jiolahy an-keriny, ary nitakian’izy ireo vola ny faran’ny herinandro teo. Navotsotr’ireo olon-dratsy moa ilay olona rehefa azon’izy ireo ny vola notakian’ireto olon-dratsy ireto. Na dia efa votsotra aza dia tsy maintsy niroso tamin’ny fikarohana ireto andian-jiolahy ireto ny zandary, ka tamin’izany no nahatratrarana olona enina. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo ary lehilahy ny dimy. Tami’ny alalan’ny angom-baovao hatrany no nahafahan’ireto mpitandro filaminana ireto niroso tamin’ny fisamborana ireto andian-jiolahy ireto. Taorian’ny nihenoan’ny mpitsara mpanao famotorana ireto olon-dratsy ireto dia fantatra fa nampidirina am-ponja ireo dimy lahy, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay vehivavy naman’izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici