Zaza vao teraka sahabo iray volana eo no nisy nanary teny amoron-dalana ka hitan’ny olona afak’ omaly tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, tany Sakaraha. Tsy fantatra ny reniny na ny olona nametraka an’ity zazalahy kely ity teo. Vehivavy handeha hatsaka rano vao maraina no naheno feona zazamena vava nitomany tsy lavitra kirihitr’ ala, ka rehefa natonon’ ity renim-pianakaviana ity ilay toerana niavian’ilay feo, dia zaza norakofana bodofotsy efa tonta ny hitany teo, ka nentina haingana niverina tany an-tanàna ary nitadiavana vehivavy mba hampinono an’ity zaza ity ho fanavotana ny ainy, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa