Lasa ny vola mitentina roa tapitrisa ariary ary koa ny volamena milanja 20 grama. Izany no vokatry ny fanafihana tao amin’ny tanàna iray ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mananjary. Tsy vitan’izany aza fa mbola nisy olona lavo ihany koa. Lehilahy dimy mitam-basy no nanafika tokantrano roa samihafa. Raha nivoaka namonjy izany ny fokonolona dia tifitra avy hatrany no valin’izany. Olona iray no maty tsy tsa-drano raha niantefan’ny bala. Tao amin’ny tokantrano faharoa dia lasa hatramin’ny kojakoja mora nobataina, isan’izany ny fihainoana kapila mangirana sy ny entana maro.
D.R
Ankilizato
Naharitra herinandro ny fitazomana takalon’aina
Ny 20 novambra no nanomboka notazomin’ny dahalo ka natao takalon’aina ny fokonolona sasantsany izay niaraka tamin’ny zandary roa. Ny 27 novambra izy ireo no votsotra rehefa nisy ny fifampiraharahana izay nataon’ny depioten’ny Mahabo tamin’ireo dahalo. Na teo aza anefa izany, hoy ny zandary, dia tsy nanakana anay tsy nanohy ny fisamborana ireo nahavanon-doza. Raha ny nampitaina taminay omaly dia nahatratra 14 ny dahalo voasambotra tamin’ny tanàna maromaro, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny. Ny roa tamin’ireo no tena atidoha nikotrika raha ny fanamarihan’ny zandary hatrany. Raha tsiahivina dia zandary marobe no indray nidina tany an-toerana raha vao nitranga ny raharaha. Hatramin’ny taty an-drenivohitra aza dia nisy nalefa mba hamita iraka ho fanavotana ny namany. Savahao tanteraka no nitranga tamin’ny tanàna maromaro ka nahazoana anaran’olona isan-karazany ary niafara tamin’ny fisamborana.
D.R