Rà nandriaka indray no azo lazaina fa niafaràn’ny fifaninana ara-piarakodia tetsy Arivonimamo ny alahady lasa teo. Fiara iray, izay nitondra olona telo mianaka avy nijery ity fifaninana ity no tra-doza, rehefa nidona tamin’ny rindrin’ny toby miaramila teny an-toerana. Vokany, olona roa no naratra ary zaza iray no namoy ny ainy. Mbola nentin-kafanam-po tamin’ilay avy nijery fiara mandeha mafy angamba ny mpamily, ilay raim-pianakaviana tamin’io fotoana io, ka mba nianatra izany ihany koa. An-dalana mody rahateo moa izy ireo. Ankevitry ny nisy olana ara-teknika angamba tamin’ilay fiara, hoy ireo nanatri-maso fa nivilavila be ihany izany. Tsy tana intsony ny familiana ary nifatratra teny amin’ilay tamboho nony avy eo. Noho ny fandehanana mafy anefa dia mafy ny dona nahazo azy. Potika tanteraka ilay fiara. Samy naratra avokoa ireto olona telo tao anatiny, izay ankizy kely vao telo taona monja ny iray. Ity farany no tena voa mafy, ary tsy nahatsiaro tena mihitsy tamin’io fotoana io. Nezahina novonjena nentina niakatra namonjy toeram-pitsaboana moa ireto olona naratra ireto. Saingy noho ny ratra nahazo azy dia tsy tana intsony ny ain’ilay zaza. Mbola manaraka fitsaboana kosa etsy andanin’izay ireo ray aman-dreniny. Mazàna tokoa dia saika hahenoana loza tahak’ity eny amin’iny faritra iny, na amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, rehefa misy fifaninanana fiara na môtô mandeha eny an-toerana. Tranga izay isan’ny mampikolay ny rehetra tokoa ary mila fijerena manokana, mba hisorohana ny rà mandriaka toa izao.
m.L