- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversMotel Violetta : Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavian’ny tompony

Motel Violetta : Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavian’ny tompony

« Tsy teo ny zanakay tamin’ny fotoana nitrangan’ny vonoan’olona ary anananay porofo izany. Ny 22 novambra teo izy no niala tao Ambositra ary namonjy lanonana tany an-drenivohitra.  Tsy niala tany Tana izy raha tsy ny 23 ary izany dia noho ny antson’ny mpanao fanadihadiana izay nitantara taminy ny zava-niseho”. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavian’ny tompon’ny Motel Violetta ao Ambositra ary io voalaza io avy hatrany no nampitain’izy ireo. Momba ny porofo indray dia ny firaketana an-tsoratra teny amin’ny koperativa misahana ny taxi-brousse izay  nandehanan’ilay tovolahy, niala tao an-toerana tamin’ny daty izay voalaza etsy ambony, no eny ampelan-tanan’izy ireo. Ankoatra ny tsy naha-teo ilay tovolahy izay tsiahivina fa isan’ny nidoboka am-ponja amin’izao fotoana, dia mbola notsipihan’izy ireo koa fa nisy olona maro izay nisotrosotro tao amin’ny Motel Violetta ny alin’ny 22 novambra hifoha 23, ary isan’izany ny mpitandro ny filaminana. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana taty aoriana dia tsy nisy olon-kafa ankoatra ny zanaka lahy an’ny tompon-trano ary koa ny mpiasany miisa telo (mpiambina, DJ ary mpiasa iray) no nosamborina sy nadoboka am-ponja. Angatahin’ireo fianakaviana ankehitriny ny mba handehanan’ny fanadihadiana lalindalina kokoa, satria amin’izy ireo dia tsy misy mihitsy ny porofo azo tsapain-tànana izay mendrika ny nampidirana am-ponja ireo olona, indrindra fa ilay tovolahy izay efa noporofon’izy ireo fa tsy tao Ambositra tamin’ny fotoana nitrangan’ny heloka bevava. Ankoatra izay dia sintomin’izy ireo koa ny sain’ny mpanao fanadihadiana mba hijery akaiky ny momba ny fisian’ny mpitsabo iray izay voalaza fa nifandefa hafatra hafahafa tamin’ny facebook talohan’ny fotoana nisian’ny vonoan’olona. Isan’izany, raha araka ny filazan’izy ireo ny fangatahany ny haka ny sarin’ny hotely, ny efitrano sns. Izany anefa hatreto dia tsy mba noraketina ao anatin’ny porofon’ny fanadihadiana kanefa amin’ireo fianakaviana dia tokony hizotra any amin’ny famantarana ny marina. Nilaza izy ireo fa hiady mba hampivoaka ny marina momba ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici