Ny voalohany dia tao Matsiatra ambony. Basy “kalachnikov” iray niaraka tamin’ny bala roa no sarona taorian’ny fikaroham-baovao nataon’ny zandary ao Ambohimpihaonantsoa. Lehilahy iray no nosamborina rehefa tratra tao an-tranony izany. Voalaza fa basy izay very tamin’ny raharaha politika tany aloha izy io ren’ny zandary ny fisian’izany ka nitarika tamin’ny fisavana sy fisamborana. Tany Sava indray, bala 219 no tratra tao anaty “taxi-brousse”, teo amin’ny fokontany Ampanefena. Tao anatin’ny fisavàna tsotra izay fanao andavan’andro no nisy vehivavy iray mailomailo be ka nanaitra ny zandary nanao sakana. Rehefa nojerena ny entany dia basim-borona sy bala marobe ny tao. Tsy nananany taratasy fitazonana na fitaterana izany. Notazonina miaraka amin’ny entany ao Sambava ilay ramatoa. Farany dia tao amin’ny kaominina Farahalana, ao Sambava ihany no nahatratrarana olona dimy izay nitondra poleta vita gasy roa sy bala calibre 12 miisa enina. Ren’ny mponina io fisamborana azy dimy lahy io ka nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka izy ireo ary haka ireo voatazona ao amin’ny PA Farahalana ireo. Nandray fepetra haingana anefa ny Komandan’ny Kaompania Sambava ka namindra azy ireo tany amin’ny brigady Sambava ka tsy tanteraka izany fikasan’izy ireo izany.
D.R





