- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Ady lova, olona efatra indray maty

Mandoto : Ady lova, olona efatra indray maty

Fianakaviana roa samihafa no nisy olana noho ny ady tany izay lova tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo, tao Analavory-Mandoto. Samy mbola velona ireo olon-dehibe ireo saingy ny taranany no nifandramatra tamin’ny ady lova. Notafihan’iretsy andaniny ny ankilany =izay mifanolo-bodirindrina amin’izy ireo ihany, noho izy tsy manaiky hanao sonia ho vavolombelona amin’ny fizaran-tany. Nitondra olon-tsy fantatra izay mpikarama an’ady  avy any Miandrivazo ireo mpanafika, niaraka tamin’ny sabatra sy lefona. Raikitra ny ady saritaka raha niantso vonjy ny olona notafihana ka tonga ny olona nanampy azy ireo. Nanao izay ho afany ny zazamainty izay nanampy niaro ny olona notafihana. Tao anatin’ny fifanjevoana dia olona efatra no maty, ireo mpanafika avokoaizany. Fianakaviana iray mihitsy no indray lavo satria ny rainy sy ny zanany telo lahy dia maty tao anatin’izany. Nisy telo hafa koa avy amin’ny fokonolona ary trano iray no may. Niara-nidina tany an-toerana ny zandary, ny miaramila ary ny mpitsabo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici