- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanan’ireo voasoloky tany : Nanjavona ilay olona tena notorian’izy ireo

Fikambanan’ireo voasoloky tany : Nanjavona ilay olona tena notorian’izy ireo

An’arivony maromaro no isan’ireo olona voasoloky. Misy 143 amin’izy ireo kosa no mampivondrona ny heriny ao anaty fikambanana, hanaovana antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, hijerena manokana ity  fisolokiana avo lenta nitranga teto amintsika ity. Nisy ny fitoriana izay nataon’izy ireo tsirairay avy saingy, mahatsapa ho voarirarira izy ireo rehefa mandeha manaraka ny antontan-taratasiny. “Ny zavatra nahagaga aza moa, hoy ny mpitondra teny ao amin’ity fikambanan’ireo olona voasoloky ity dia ireo olona telo, izay lohandohan’ny mpisorona tao amin’ilay orinasa mpivarotra tany tsy misy akory, izay vontoatin’ny fitorian’izy ireo mihitsy no voafafa tampoka tao anaty fitoriana, nony tonga teny amin’iny fitsarana”. Marihana tokoa fa vao herinandro vitsivitsy teo angamba izay no fantatra ilay fisolokiana goavana tao ambadik’ity fivarotana tany amin’ny vidiny mora dia mora ity. Orinasa iray izay nampanantena ny hizara tany ho an’ny Malagasy; izay tsy manana ny tao ambadika. Ampahan-tany maromaro tamina faritra isan-karazany teo amintsika izy io, ary voalaza mihitsy, fa hoe hanorenana tanana iray, misy foto-drafitrasa ara-dalàna. Tany ho any amin’ny 2014 tany no efa nandeha ny fivarotana, saingy ankehitriny, efa hiditra amin’ny taona 2018, dia mbola tsy nahazo ny taniny ireo nividy izany. Antony nanosika ny sasany hanao fanadihadiana ka vaky bantsilana teo ny nafenina. Tany tsy misy akory ity namidy tamin’ireo olona an’arivony maro ireo. Nanomboka teo ny fampiakarana ny raharaha. Efa nisy olona enina nosamborina sy nampidirina am-ponja tamin’izany. “Tsy ireo tena atidoha anefa ireo fa mbola ireo mpiasa aty ambany. Hany ka mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’izy ireo izahay, fa indrindra indrindra ny hamerenana ny volanay” hoy hatrany ny antsoantson’ireto olona an-jatony niharan’ny fisolokiana ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici