- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Midina ifotony mijery ny zava-misy ireo tomponandraikitra

Zandarimariam-pirenena : Midina ifotony mijery ny zava-misy ireo tomponandraikitra

Tsy mihanona fotsiny amin’ny fikarohana hevitra ambony latabatra, hiadiana amin’ity resaka tsy fandriampahelamana ity, ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa misy mihitsy ny fidinana ifotony, hijerena ny zava-misy marina eny amin’ireo toerana voasokajy ho faritra mena. Izany rahateo dia mba ho fanaraha-maso ireo zandary eo ambany fifehezana sy ho fampiharana ny paik’ady sy ny baiko napetraky ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Randriamahavalisoa Girard. Faritra maro teto amintsika no efa nidinan’ireto tomponandraikitra ambony eo anivon’ny zandary ireto, toy ny tany amin’ireto toerana maro tao anatin’ny  faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany. Teo ihany koa ny tany amin’iny faritra Sava sy Diana iny, ary nitohy tany amin’iny faritra Alaora Mangoro, tao amin’ny distrikan’Andriamena sy Andilamena. Ary fantatra fa mbola hitohy amin’ireo faritra maro sy toerana voalaza fa lavitr’andriana izany. Ny fihaonanana mivantana tao amin’ireo fokonolona no nahatsapana fa tena ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, ahafahana miady amin’ny asan-dahalo, ary hametrahana fandriampahelamana maharitra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici