- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Lehilahy iray notifirin’ny jiolahy tao an-tranony

Ambohimangakely : Lehilahy iray notifirin’ny jiolahy tao an-tranony

Tokony ho tamin’ny telo ora maraina no nisy namaky ny tokantrano iray. Vitan’izy ireo ny nanimba ny varavaran-kazo ary efa teo am-pamakiana ny varavaram-pitaratra farany no taitra ny tompon-trano ka niantso vonjy. Teo no nitifitra ireo telo lahy. Voa teo amin’ny ranjony ny lehilahy iray tao an-trano. Mba tsy nahazo na inona na inona kosa ireo olon-dratsy izay nisafidy ny nitsoaka rehefa raikitra ny antso vonjy. Tsy nahazo na inona na inona araka izany, raha araka ny vaovao azonay. Saingy ilay rangahy kosa no voa mafy noho ny tifitra nahazo azy. Nijanona tao amin’ny ranjony ny bala ary voatery nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany. Teo koa dia mbola hakiviana ny an’ny fianakaviana satria adiny folo taty aoriana vao nisy dokotera nandray, nefa mila nodidiana maika izy mba hanesorana ny taim-bala tao aminy. Iainan’ny mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidiana azy avokoa izany fitaintainana izany ankehitriny, na ao an-trano na any amin’ny toeram-pitsaboana. Ny tsikaritra koa, etsy andanin’izay, dia ny firongatry ny asan-jiolahy indray rehefa manakaiky ny fotoanan’ny fety. Ary ny tena mampalahelo dia nisy mihitsy ny namoy aina vokatry ny herisetra sy ny tsatoka antsy ary koa ny fampiasana bala. Tsy ny mandritra ny fety ihany no mila hamafisina ny fandriam-pahalemana fa indrindra koa alohan’izany sy aorian’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici