- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Fiara « Sprinter » roa, indray may kila forehitra

Itaosy : Fiara « Sprinter » roa, indray may kila forehitra

Trangana fahamaizana hafahafa ihany no niseho teny amin’iny faritra Cité Itaosy iny omaly antoandro. Fiara « sprinter » roa be izao mantsy no indray levon’ny afo teo am-pitoerana teo teny amin’iny faritra iny. Hatreto raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandary dia tsy mbola fantatra mazava izay tena anton’ny nahatonga ny fahamaizana. Nisy nanao fanahy iniana nandoro ve sa olana ara-teknika teo amin’ny fiara nahatonga tselatr’afo ? Raha ny feo mandeha dia toa hoe nisy « court-circuit » tamin’ilay fiara iray ary nirehitra. Nitarika ny afo ka nahazo ilay fiara iray teo akaiky ihany koa. Zavatra izay toa mampisalasala ihany anefa, hoy hatrany ny fanazavana satria dia tsy mifampitohaka ireto fiara ireto, ary ambonin’izay dia fiara nijanona fa tsy hoe nandeha akory. Marihina tokoa fa nijanona tao anaty « parking » ireto fiara roa ireto, izay ny iray dia taxi-brousse manao zotra nationaly ary ny iray kosa taxibe mampitohy an’Itaosy sy Analakely. Ary soa ihany fa tsy mbola niasa na nitondra olona izy ireo akory. Raha ny fantatra hatrany dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tao anatin’izany fahamaizana izany. Na izany aza anefa, an-tapitrisany maro ihany ny fahavoazana satria dia korontam-by  sisa no noraisina tamin’ireto « sprinter » roa ireto. Nisy ihany moa ny fiezahan’ireo manodidina namono ny afo, saingy tsy nisy azo natao intsony. Tonga teny an-toerana mihitsy ireo mpamonjy voina vao maty tanteraka izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici