- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAndrononobe Ambohitrarahaba : Fanafihana mpandraharaha, « surveillant général »-na sekoly ny iray...

Andrononobe Ambohitrarahaba : Fanafihana mpandraharaha, « surveillant général »-na sekoly ny iray tamin’ireo jiolahy

Isan’ny ireo nampitaraina sy nampikaika ny mponina teny amin’iny faritra Avaradrano, manomboka eo Amboditsiry, Analamahitsy, Ambohitrarahaba sy ny maro hafa iny ireo andian’olon-dratsy fantatra amin’ny anarana hoe « bande des 8 ». Anisan’ny nitondra faisana tamin’izany, vao ny herinandro lasa teo, ny mpandraharaha iray, monina eny Andrononobe  Ambohitrarahaba, raha teo am-piomana ny handeha hivoaka ny renivohitra. Andian-jiolahy maromaro, nirongo zava-maranitra sy basy no nanao amboletra niditra tao amin’ny tranony ary nandrahoana azy ireo hamoaka ny vola tao an-trano. Rehefa somary namaly anefa ity tompon-trano ity dia novonoina sy nambanana tamin’ny basy. Hany ka tsy afa-nanao na inona na inona intsony fa dia nanome ny vola rehetra tao aminy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany raha vao nahazo izay nilainy. Ny tsy nampoizin’ireto farany anefa dia fantatra endrika soa aman-tsara mihitsy izy ireo. Raha ny fanazavana azo dia efa mpiasa tao amin’ity tokantrano ity ihany ny iray tamin’izy ireo, izay nandoko ny fiaran’ilay raim-pianakaviana. Ny iray kosa izay fantatra lehiben’ireto andian-jiolahy ireto, araka ny loharanom-baovao azo, dia mpanao « rugby » no sady « surveillant général » na sekoly iray eny amin’ny manodidina eny ihany. Rehefa nisy ny fametrahana fitarainana teny anivon’ireo tomponandraikitry ny filaminana dia nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany, ary niroso tamin’ny fikarohana sy ny fisamborana ireto olona efa fantatra ireto. Ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa voasambotra ny sasany tamin’ireto andian-jiolahy ireto, ilay mpiasa sy ilay « surveillant général ». Mbola misy kosa anefa ireo karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana ihany koa fa izy ireo no anisan’ny tompo-marika tamin’ny fanafihana ilay fivarotam-panafody iray tetsy Amboditsiry. Ary tsy izay ihany fa efa maro ireo fanafihana mitam-piadiana efa noketrehan’ireto andian-jiolahy ravan’ny mpitandro filaminana ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici