- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFangalarana antontan-taratasy tao amin’ny fitsarana : Voasambotra ary nadoboka eny Tsiafahy ilay...

Fangalarana antontan-taratasy tao amin’ny fitsarana : Voasambotra ary nadoboka eny Tsiafahy ilay mpisolovava sandoka

Herinandro vitsivitsy taorian’ilay fangalarana antontan-taratasy maromaro, izay mirakitra ny didim-pitsarana ny taona 2009, tao amin’ny fitsarana Anosy, dia fantatra izao fa voasambotra teny Itaosy ilay lehilahy izay nilaza fa mpianatra ho mpisolovava, tompon’antoka tamin’iny raharaha iny. Ireo zandary avy ao amin’ny sampana miady amin’ny “cybercriminalité” tao amin’ny Toby Ratsimandrava no angady nanana izao vokatra izao, ny faran’ny herinandro lasa teo. Rehefa nahazo ny toromarika ny hikarohana io olona io avy amin’ny fitsarana ny Zandarimariam-pirenena, dia nanao ny fikarohana rehetra. Ny « compte facebook » -ny no hitan’ny tao amin’ny « direction police judiciaire » an’ny zandarimariam-pirenana ka nomena io sampana voalaza eo ambony io ny raharaha mba hanaovany ny fikarohana. Avy amin’ny alàlan’io « compte facebook » io ary no niaingan’ny fitsirihana rehetra ka tratra teny Itaosy, izay fonenany ralehilahy” hoy ny fampitam-baovao. Nambaran’ny tatitry ny  zandary ity hatrany, fa ambonin’ity halatra ity dia isan’ny vesatra hanenjahana azy ihany koa ny fisandohany andraikitra, izay milaza mazava fa mpisolovava ao amin’ny tambajotra sosialy. “Tsy vitan’ny nangalatra “dossier” ihany no nataon’ity voarohirohy ity, fa dia hita mivandravandra eo amin’ny sary asehony ao amin’ny facebook fa dia misandoka andraikitra ho mpisolovava ihany koa ity lehilahy ity”. Rehefa nentina nohenoina teny amin’ny Fampanoavana moa ity lehilahy ity, dia nadoboka eny Tsiafahy avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici