Tsy mbola voavaha ny olana ao Ikongo raha jerena ny fivoaran’ny zava-misy. Voalohany, mbola tsy tafaverina amin’ny fonja nitsoahany ireo gadra marobe 120 tafatsoaka tao. Faharoa, mbola mitohy ny fiafenan’ny mpikamban’ny Organe Mixte de Conception (OMC), izany hoe ireo manam-pahefana mandidy mahatapaka ny tanàna. Raha ny vaovao azo omaly dia miisa valo hatreto ny gadra efa voasambotra taorian’ny fahavakisan’ny fonja. Ireo olona kosa dia tsy mbola nisy fanadihadiana nisokatra hatreto, satria ny fampandrian-tany aloha no hilofosana voalohany vao ho tonga amin’izay mety ho raharaham-pitsarana. Omaly dia niely ny feo fa hiverina hanakorontana ny fonja indray ireo andian’olona efa namaky izany. Inona intsony anefa n yfonja hokorontanina eo ? Ireo gadra telo sisa ambiny nisafidy tsy hitsoaka ? Manaraka izay dia efa nafindra toerana ireo olona fito niatombohan’ny gidragidra. Nafindra any amin’ny fonjan’i Fianarantsoa izyireo, raha araka ny vaovao azo. Momba ireo manam-pahefana indray dia samy miaro ny tenany any amin’ny toerana azo iafenana, ka tsy hitan’ny olona aloha izy ireo. Ny filan-kevitra ambonin’ny mpitsara dia nangataka ny mba hamindràna toerana maika ny olony miasa ao amin’ny fari-piadidianainy. Raha ny re aza dia nangataka ny mba handefasana hélicoptère izy ireo hanandefasana ny olony hitsoaka any an-toerana. Raha tsiahivina dia fangatahana fitsaram-bahoaka no niandohan’ity raharaha voalohany nitranga teo amin’ny tantaram-pirenena ity. Tsy nanaiky ny fokonolona tao an-toerana, miisa 800 any ho any, raha tsy hatao fitsaram-bahoaka ny olona fito nolazain’izy ireo fa namono nahafaty olona na notazomina am-ponja ao Ikongo. Be noho ny vitsy ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiandry fonja ka tsy afa-nanao ny asany intsony. Vokany, tsy maintsy nanaraka ny tenin’ireo olona marobe, ary nalefa nivoaka ny fonja ireo gadra rehetra tao, ankoatry ny telo nisafidy ny hijanona. Miverin-dàlana tanteraka ny firenena amin’ny resaka zon’olombelona sy fanjakana tsara tantana. Fanao efa tany amin’ny fahagolan-tany no lasa mirongatra etsy sy eroa, ary azo heverina fa misy antony mazava izany.
D.R