- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversVary lo nodorana : Nifandrombahan’ny olona ireo sisa tsy may

Vary lo nodorana : Nifandrombahan’ny olona ireo sisa tsy may

Tena noana marina ny vahoaka Malagasy noho ny fahatrana mafy mianjady aminy vokatry ny fahalafosan’ny vidim-piainana, satria na ny vary aza izao tsy mahazo iray kilao intsony ny latsaky ny 1 900 ariary eto Toamasina, ny kapoaka ao anatin’izany dia manodidina ny 900 ariary; izay no zava-misy raha tarafina amin’ny zava-nitranga tao Tanandava toerana nandorana ireo vary efa simba sy efa lo nataon’ny ekipan’ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana atsinanana tamin’ity herinandro mivalona ity. Nifandrombahan’ny olona mantsy ireo ambina vary sisa tsy may tao anatin’ilay lavabe natao, ka raikitra mihintsy ny sakoroka teo amin’ireo mpaka izany izay atahorana hitera-doza indray amin’ny fahasalamam-bahoaka eto Toamasina ny zava-misy. “Noana izahay e! vary mbola azo hanina io dia dorana fotsiny, aleo alainay mba sitrany ahay ho anay mahantra e!” izay no antso antso nataon’ireto olona marobe nifandrobaka ireto vary efa samba sy efa lo nodorana nefa tsy may ireto, nandritra ny fandroahan’ny zandary azy ireo tsy haka izany ho fiarovana ny fahasalaman’izy ireo. Raha iverenana ny raharaha dia vary miisa 1 016 lasaka no tsy maintsy nodorana tamin’ity raharaha vary efa simba sy efa lo ity ny alatsinainy sy ny talata teo. Efa nanao ny ezaka rehetra tamin’ny fanimbana tanteraka ireto vary ny “task Force” Toamasina, saingy noho ny fihavian’ny orana nandritra ny fandorana azy dia tsy potika tanteraka izany, nefa nandritra ny fitaomana ireo vary tao Tanandava dia efa niandry fotsiny ireto mponina milaza ny noana ireto

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici