Mbola maro ireo lalana mampikolay ny mpampiasa lalana amin’ireo faritra ambanivohitra rehetra any. Ambonin’ny lalan-dratsy tokoa mantsy dia mbola manampy trotraka ny resaka asan-dahalo sy fanakanan-dalana. Toy ity nitranga tamin’iny lalana avy any Bekopaka hihazo an’i Belo Tsiribihina iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fiara tsy mataho-dalana iray, izay navadika ho fiara fitateram-bahoaka no lasibatry ny fanafihan’ny olon-dratsy. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankatrakatraka no nisehoan’ity fanafihana ity. Andian-jiolahy maromaro no nanakana sy nibahana teo am-povoan-dalana. Nihevitra ny haka mora izay tsy nafafiny tamin’ity fiara mpitatitra ity ireto olon-dratsy ireto, kanjo tsy nampoizin’izy ireo ny fisiana mpitandro filaminana tao anatiny. Teo anatrehan’ity tampoka tsy mahalehilahy, nahazo ity fiara ity, dia nijoro sy nandray ny andraikiny avy hatrany ilay mpitandro filaminana niaro ny ain’ireto mpandeha sy ny fananany. Namoaka ny basy ary tsy nisalasala nampiasa izany tamin’ireto olon-dratsy. Vaky nandositra araka izany ireto mpanakan-dalana, sady nitifitra ihany koa, tsy nanampo velively ny hisian’ny valin-kafatra haingana dia haingana toy izany. Tetsy andanin’izay dia nanao izay ho afany tamin’ny lalan-dratsy ilay mpamily, niezaka nanaisotra ny fiara tao anatin’izany ady saritaka sy fifampitifirana, ka avotra soa aman-tsara. Efa nampandrenesina mahakasika ity asan-jiolahy ity moa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ka nisy avy hatrany ny fidinana teny ifotony sy ny fikarohana ireto mpanakan-dalana ireto.
m.L