Saika raikitra indray ny sakoroka, omaly. Teratany vahiny iray no saika niharan’ny hatezeram-bahoaka, tetsy Behoririka. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana, dia nandona mpitondra môtô iray teny an-toerana ny fiara nentin’ity vahiny ity, ary izy indray avy eo no ilay olona voadona. Amin’izao an-katoky ny fety izao tokoa dia somary manahirana tanteraka ny fandehanana eny amin’ireny toerana be olona sy be tsena ireny, anisan’izany Analakely sy Behoririka. Tomefy olona hatrany anaty arabe, antony mampisavoritaka tanteraka ireo mpitandro fiara, eny fa na hatramin’ireo mpitondra môtô aza. Tao anatin’izany fisavoritahana izany, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo ho eo, no nitranga ity korontana ity. Tsy afa-miala amin’ny habetsaky ny olona teo alohany ilay môtô ka tafajanona. Tamin’izany anefa no notrongisin’ilay fiara tsy mataho-dalana, avy ao afara izy ka nianjera. Nanomboka teo no nitangorona ny olona. “Nivoaka avy tao anaty fiara ny mpamilin’ilay tsy mataho-dalana, izay teratany vahiny. Nivazavaza an’ilay mpitondra môtô” hoy ny fitantarana mpivarotra iray teny an-toerana, nanatri-maso tanteraka ny zava-nisy. “Tsy fantatra na naninona nony avy teo, fa avy hatrany dia nokendain’ilay mpamily ilay mpitondra môtô, ary nomeny ny totohondry” hoy hatrany ity olona ity. Izay fihetsika izay no anisan’ny nampitroatra ireo olona efa nitangorona. Saika hisambotra ity vahiny ity ireo olona, saingy nitsofoka haingana tao anatin’ny fiarany, ary nirifatra nitsoaka ity olona namono. Toraka baoritra sy izay zavatra hitan’ireo olona teny an-toerana sisa no azon’ireto farany natao. Tonga teny an-toerana taorian’izay ny pôlisy, ary nitondra ilay mpitondra môtô naratra, voadaroka teo.
m.L