Mpivarotra zava-pisotro iray teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny no notongavana andian-jiolahy maromaro nirongo basy maherivaika. Sendra ny fisafoan’ny zandary tamin’izany faritra izany anefa ry zalahy ireto ka tsy nahavanona ny asa ratsiny, ary nirifatra nitsoaka. Ny voalohandohan’ny herinandro teo no nisehoan’ity trangam-panafihana ity tao amin’ny fokontany Antanetibe. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandariamarim-pirenana dia tokony ho tamin’ny valo ora alina latsaka kely teo no tonga tao amin’io toerana voalaza eo ambony io, ny andian-jiolahy niisa teo amin’ny dimy teo ho eo. Mbola betsaka olona ihany ny toeram-pisotroana amin’izany ora izany, ka mba ho fampitahorana azy ireo dia nanapoaka basy ireto olon-dratsy ireto. Nanomboka teo ny fandrahonana ny tompon-trano hamoaka ny vola rehetra. Somary nandà ihany anefa ity farany ka nodorahon’izy ireo ny hazo. Voa teo amin’ny lohany izy ka naratra mafy. Tamin’io fotoana io mihitsy anefa no nanome toromarika ny sasany tamin’ireo olon-dratsy izay nataon’izy ireo ho mpijirika sy mpanara-maso ny manodidina tany ivelany fa hoe misy zandary tonga. Vaky nandositra teo ireto farany, tsy nahazo na inona na inona. Niezaka ny nanenjika ihany ireo mpitandro filaminana fa nafenin’ny alina tanteraka ireto olon-dratsy ireto. Teo no ho eo ihany moa dia efa nandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Tetsy andanin’izay kosa dia nanambara ny teo anivon’ny zandary fa « manamafy ny fisafoana ho fisorohana ny asa ratsin’ireo jiolahy ny Zandarimariam-pirenena, indrindra amin’ny vanim-potoana ankatoky ny fety toy izao. Ny fizaran’ny mponina amin’izy ireo izay vaovao haingana amin’ny tranga rehetra mety mampiahiahy no vaha olana tsara indrindra amin’izany, satria iombonana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana na dia efa maro aza ireo zandary ireo no miparitaka misafo tanàna, toy ny tamin’ity tranga ity ».
m.L