Noho ny olana misy eo anivon’ny Syggma izay niafara tamin’ny fanasaziana ny Sekretera jeneralin’ity Sendikan’ireo Tantsambo eto Madagasikara ity dia angatahin’ny bankin’ity sendika ity ny hanakatonana ny kaontiny ao aminy. Nanambara izany ny sekretera jeneralin’ity fikambanana ity, Razafindraibe Harivony Lucine, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, ny Alarobia lasa teo. Ny fisian’ireo andiana Tantsambo izay misandoka ho tompon’andraikitra eo anivon’ny Sygmma ka maka vola ao amin’io kaoty io no nolazainy fa antony angatahin’ny banky izany. Ireto andian’olona ireto dia nitory ity Sekretera jeneraly ity ho nanodinkodina ny volan’ny Sygmma ka nahazoan’ity farany sazy 3 volana an-tranomaizina sy fandoavana onitra vola an-jatony tapitrisa. Fanamelohana izay tsipahin’ireo mpikambana miara-dia amin’ity sekretera jeneraly ity, satria io vola nolazaina fa voahodina io dia tambikaraman’ny notoriana ara-dalàna sy nifanekena teo anivon’ny sendika. Olona efa noroahina tsy ho mpikamba intsony ireto nitory ireto, hoy i Lucien sy ny namany, ka tsy manana fahefana mihitsy hitondra raharaha amin’ny anaran’ny Fikambanana eo anivon’ny fitsarana. Noho izany, nilaza fa nampakatra ity raharaha ity eo amin’ny Fitsarana ambony ny Sygmma mba ho fitandroana ny voninahitry ny sekretera jeneraliny. Ity farany izay ambaran’ny mpandaha-teny nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa olona voafidy ara-dalàna ary manana ny traikefa sy fahaiza-manao ho amin’ny andraikitra napetraky ny fikambanana aminy. Izy ihany koa no eken’ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny ITF sy ny CFDT, hisolo tena ireo tantsambo eto Madagasikara. Nambaran’izy ireo fa tokony hanangana sendika hafa ireo andian’olona ireo rehefa tsy hanaraka ny rafitra eo anivon’ny Sygmma. Koa manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana mahefa ireto mpikambana ao amin’ny Sygmma mba tsy ho voafitak’ireto olona misandoka ireto.
T.M.