Rehefa lavon’ny zandary ny telo tamin’ireo dahalo – izay naka takalonaina, nandritra ny fitsoahan’izy ireo, mazava hoazy, rehefa avy nanafika tanàna – dia ny olona iray izay isan’ny nalainy an-keriny indray no niharan’ny hatezerany ka notifiriny. Misy tsy ampy taona roa tamin’ireo natao takalonaina ; izay navotsotr’ireo dahalo ihany rehefa tsy nihemotra hatramin’ny farany ny mpitandro ny filaminana izay nampian’ny fokonolona tamin’ny fanarahan-dia niafara tamin’ny fahatrarana ireo olon-dratsy. Raha lavo an-tanety ny telo tamin’ireo farany, dia mbola nisy iray hafa koa voatifitra teny ambony lakana raha nitsoaka niampita renirano. Moa tsy toy ireny anaty sarimihetsika kômandô ireny ny iainan’ny olona any ambanivolo ankehitriny? Ady an-tanety, tifitifitra eny ambony rano, fangalàna takalonaina sns. Isan’andro ankehitriny no misy izany, any amin’ny faritra maro eto Madagasikara ary efa leo mitaraina ny olona ka izay tratrany kosa no anamparany ny hatezerany. Dia izay no mampirongatra ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa.
D.R
Tsaratanàna : Notifirin’ny jiolahy ny takalonaina
Articles qui pourraient vous intéresser