- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizivavy 10 taona naolan’ny dadatoany, simba tanteraka

Toliara : Ankizivavy 10 taona naolan’ny dadatoany, simba tanteraka

Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ankehitriny, fa ny dadatoany ihany no nanolana an’ity zana-drahalahiny kamboty ray. Ankizivavy vao 10 taona monja no simba tanteraka naolan’ny dadatoany, ny alin’ny krismasy teo, tao amin’ny Fokontany Tanambao Sanfily Toliara. Araka ny fanazavana voaray, dia nanavy voan’ny tazo nandamaka teo am-pandriana ity tovovavikely ity, ny alahady teo, ka tsy afa-nivoaka niaraka tamin’ny fianakaviany namonjy sasak’alina tany am-piangonana. Ilay dadatoany kosa vao tonga avy any ambanivolo tamin’io andro io, ary nilaza fa reraka ka naka aina tao an-trano. Rehefa lasa nankany an-deglizy avokoa ny olona rehetra tao amin’ity tokantrano ity, dia niditra tao amin’ny efitrano natorian’ilay zaza ity rahalahin-drainy, ka nanolana sy nanao filan-dratsy tamin’ity  voatavo tsy mifandraka. Voarahona ho faty. Rehefa niverina avy tany am-piangonana ny reniny sy ny iraitampo tamin’ity zaza voaolana, dia tsy sahy nitantara ny zava-nanjo azy ity farany, satria norahonan’ny dadatoany hovonoina. Naraina ny andro, gaga ny reniny nahita an-janany mibakabaka hafa famindra sady nahatsikaritra rà tsy nijanona niraraka teo amin’ny feny. Rehefa nofotorana mafy ity ajampela dia nitomany nigogogogo sady namboraka ny zava-nihatra taminy sy nitantara ny zava-nisy niainany. Nentina namonjy dokotera ilay zaza voaolana ary nanamafy ny mpitsabo fa simba tanteraka izy noho ny herisetra ara-nofo nihatra taminy. Nitsoaka kosa ilay nahavanon-doza ka mbola karohina fatratra hatramin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici