- Publicité -
lundi, novembre 17, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Noho ny hain-tany, tafakatra 400 Ariary ny rano iray...

Ampanihy Andrefana : Noho ny hain-tany, tafakatra 400 Ariary ny rano iray zerikanina 20 L amin’izao

Noho ny hain-tany misy, vokatry ny tsy filatsahan’ny orana am-bolana maro, dia tafakatra 400 Ariary ny rano iray zerikanina 20 litatra, amin’izao fotoana izao any amin’ny Distrikan’ Ampanihy Andrefana, Faritra Atsimo Andrefana. Manoloana ny tsy fisian-drano, dia maro amin’ireo biby fiompy sy voly no maty, ary lasa mifindra monina tsy satry ny ankamaroan’ny olona. Araka ny tati-baovao voaray, dia mandeha an-kilaometatra maro miala ny tanàna vao mahita rano ny mponina, kanefa rano maloto tsy ara-pahasalamana. Misy amin’ny olona no manao vovo tsy lavitra ny moron-dranomasina, ka rano masira (bokaboka) no sotroina sy hahandroana sakafo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici