Taratry ny fahantrana. Tsy mifidy taona sy saranga intsony, fa mitombo isa hatrany ao Toliara amin’izao ireo olona marary saina na adala tazana miriaria eny anivon’ny fiarahamonina sy mirenireny an-dalambe, ka misy amin’izy ireny no mahavita dia an-tongotra an-kilometatra maro isan’andro vao mijanona ny sasany, izay mamono sy mandratra ireo sendra azy. Araka ny fanazavana nomen’ny mpitsabo sy ireo mpandinika fiarahamonina, dia vokatry ny tsy fahazakana ny vesatry ny onjam-piainana matetika no mitarika ny fahadalana, satria tsy tsy miomana/tsy mahazaka miatrika irery ny fiainana ka tratry ny dona mafy ny sainy. Eo ihany koa ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fanolanana, . . . Torak’izany koa ny tsy fahatomombonan’ny vatany hatrany an-kibo. Vahaolana narosoan’izy ireo ny tokony hanabeazana hatrany ny fiarahamonina hifanampy sy hifanohana, hampihenana ireny trangan-javatra mampalahelo ireny. Tsy ampy fotsiny ny mihavana fa mila mifanampy. Ankoatra izay, mila tsaboina avy hatrany ny olona iray raha vao tsapa fa hafahafa mba tsy hiitaran’ny fahavoazany.
Eric Manitrisa