Na an-tanan-dehibe na ambanivolo, mamaivay ankehitriny ny fanoheran’ny vahoakan’i Toliara momba ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa Toliara Sands ao Ranobe, Distrikan’i Toliara II. « Tsy misy tombontsoa ho antsika ity fitrandrahana mamono vahoaka ity, ka ataontsika mafy ho ren’ny filoham-pirenena izao antsom-pitarainantsika izao », hoy ny antso avon’ireo Sefo Fokontany sy ireo mpanolotsain’ny kaominina ary ireo olombe an-tanàna to teny mpitan-kazomanga, nanoloana ny vahoaka an’aliny, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ankilimalinike sy Anketraka.
Mitroatra ny vahoaka. « Raha mbola minia mikipy sy manampin-tsofina ny mpitondra tsy handray ny andraikiny amin’ny fampitsaharana an’ity fitrandrahana tsy mifanaraka amin’ny kolontsain’ny foko Vezo sy Masikoro (Mikea) sady hanimba ny tontolo iainana ity, dia hisy ny fidinana an-dalambe hataon’ny vahoaka marobe ao Toliara », hoy ireto solontenam-bahoaka mamy hoditra. « Tsy ilainay hitety tanàna sy Fokontany intsony ireo mpanentana alefan’ny orinasa Toliara Sands handresy lahatra ny mponina hanaiky ny hisian’ny asa fitrandrahana ataon’izy ireo », hoy ny Lehiben’ny Fokontany ao Anketraka, nahitsy fiteny.
Vonona hisotro ny aleoko maty. Mihenjan-droa mafy ny tady amin’izao eo amin’ity orinasa Aostralianina ity sy ny vahoaka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, misisika mafy ity orinasa ity ary nilaza fa nahazo fahazoan-dalàna hitrandraka, kanefa ny vahoaka etsy andaniny dia vonona hisotro ny aleoko maty raha mbola atao tery vaimanta toy izao ny fitrandrahana tsy mitsinjo ny tombontsoan’izy ireo. Manoloana ny fifandroritana misy dia sahiran-tsaina mafy ny mpitondra sy ireo tompon’andraikitra any an-toerana.
Eric Manitrisa