“ Mpampianatra nahavita be tao amin’ny sekolin-dry mompera tao Vohipeno ramose Lucien Botovao, ary nijoro hatramin’ny farany tamin’ny finoany, ka izany no antony hanambaran’ny Fiangonana Katolika Romanina ao amin’ny Diosezin’i Farafangana azy ho olontsambatra ny 15 aprily ho avy izao “, raha ny fanazavana azo. Raha vao nipoaka ny tabataba sy fikomiana tamin’ny 1947 dia nosamborin’ny mpioko Mdrm ity talen’ny sekoly katolika mamy hoditra ity, izay voampanga ho mpikamban’i Padesm. Noteren’ny Ampanjaka tany an-teorana atao sekretera jeneralin’ny Mdrm ny tenany, kanefa nanda mafy ka notapahim-bozona teo amin’ny toeram-pamonoana omby vaovao amoron’ny reniranon’i Matitanana, ny 17 aprily tamin’ny 10 ora alina, ary navarina tamin’ny renirano ny fatiny.
Fady politika. Maty tanora ho maritiora teo amin’ny faha-39 taonany ramose Pikopiko (anaram-bositra nomen’ny olona azy noho izy tia manao toko sapile isan’andro). Talohan’ny namonoana azy dia nivavaka izy : “ Andriamanitra, mamela ireto rahalahiko, fa sarotra aminy izao adidy ataony amiko izao. Enga anie ny ràko latsaka amin’ny tany ho fanavotana ny tanindrazako “. To teny teo amin’ny vahoaka ramose Lucien Botovasoa ka nofidian’ny be sy ny maro ho filohan’ny PADESM, na dia tsy mpikambana tao amin’ity antoko ity tao Vohipeno aza, sady natolotr’ izy ireo ho kandinda amin’ny fifidianana “Assemblée Provinciale” tamin’ny volana janoary 1947. Tsy nanaiky izany ny tenany ka tezitra mafy ny administratera Dumont ary nanala baraka azy imasom-bahoaka. “Olon’ny fanabeazana sy fiangonana aho ka tsy manao politika. Olona hafa no aoka hotadiavinareo ”, hoy ramose Lucien.
Eric Manitrisa