Teny Katsepy ny voalohany. Nitondra olona 13 ny sambo mitondra ny anarana « Fanantenana » izay saika hihazo an’i Tambohorano raha niala teo an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Tsy mifanalavitra amin’ny jirobe eo Katsepy no nanomboka nisy olana ny sambo. Nidiran’ny rano izany rehefa nidona tamin’ny vato ka vaky ny vatabeny. Soa ihany fa efa mba nahazo morony ilay sambo ka mba nanamora ny fanavotan-tenan’ireo olona nentiny izany. Ny entana no potika ny ankamaroany ary lasan’ny rano aza ny betsaka tamin’izany. Ny andron’ny krismasy no nitranga ny loza an-dranomasina izay teo amin’ny tanàna antsoina hoe Antrema. Mbola anatin’ny fanadihadiana ara-teknika hatramin’ny omaly ny manam-pahaizana amin’ny fifamoivoizana an-dranomasina. Ankoatra ny olana ara-teknika izay mety nanjo ilay sambo, dia azo heverina koa fa ny rivotra nifofofofo tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io no nampidona ilay sambo tamin’ny vato ka naha-rendrika azy. Mbola loza an-dranomasina hatrany. Ity indray dia tany amin’ny nosy Sainte-Marie no nitranga, roa andro talohan’ny nigadonan’ny noely. Sambo mpitatitra entana antsoina hoe MS Atlantis no nisy olana raha niainga tany Maroantsetra ka saika hihazo an’i Toamasina. Làlana izay efa fanaony andavan’andro ihany izany. Ity indray mitoraka ity indray dia fantatra ny anton’ny loza : niongotra ny familiana ilay sambo. Vokatr’izany, nandeha tany amin’ny làlana tsy izy ilay fitaovam-piaterana rehefa nifanandrify an’i Sainte-Marie. Mailo ny komandà ary nampandre faran’izay haingana ny sampan’ny miaramila mpiandry ny sisin-tany (détachement marine). Nanomboka fantatra tamin’ny alàlan’ny fikarohana sy ny teknolojia ny toerana misy ny sambo. Adiny fito taorian’ny fikarohana rehetra teny ambony ranomasina dia hita izany. Nanomboka teo ny fitarihana ilay sambo namonjy ny seranan-tsambon’i Sainte-Marie. Tsy nisy ny aina nafoy ary avotra soa aman-tsara avokoa ireo tantsambo miisa enina nentin’ny MS Atlantis. Tany amin’ny 37 kilaometatra niala an’i Sainte-Marie ary tao atsimo atsinanan’i Mananara no nanomboka nitarihana azy. Olana ara-teknika ary koa ny herin’ny rivotra. Ireo izany hatreto no nitarika ireo loza an-dranomasina roa samihafa ireo. Nisy fotoana dia nofoanana ny fivezivezena manomboka ny tolakandro amin’ny fari-dranomasina sasany eto Madagasikara noho ny herin’ny onja izay efa niteraka loza maro samihafa. Tamin’ny fahafatesan’ny minisitry ny mponina tamin’ny tetezamita no nivoaka izay fanapahan-kevitry ny fitondràna izay. Taty aoriana dia toa niverina afaka mivezivezy avokoa ny sambo sy ny fitaovam-pitaterana an-dranomasina. Asa, miova angamba ny herin’ny rivotra rehefa miova koa ny fitondràna…
D.R