Vary telo gony sy hena no natolotry ny loholon’i Madagasikara Razafimandroso Virginie sy ny solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles,vatomamy sy bisky kosa ho an’ireo zaza tsy ampy taona sy ny zaza voatery tsy maintsy manaraka ny reniny. Nanafatrafatra ny hitandremana mandrakariva ny fahendrena rahefa tafaverina eny anivon’ny fiaraha-monina ny solombavambahoaka. Mbola tsy teo amin’ny toerana maha loholon’i Madagasikara azy akory Ramatoa Razafimandroso Virginie dia efa nanampy hatrany azy ireo teo amin’ny famatsiana kitay sy ny hafa. Amin’ireto olom-panjakana nahatsiaro ny voafonja teto Moramanga ireto dia hajaina hatrany ny maha olombelona azy ary indrindra ny hanomezana azy ireo fampianarana hiatrehany ny fiaraha-monina hatrany. 490 ireo voafonja,ny 25 kosa no vehivavy ary iray amin’ireo no mitaiza,30 no zaza tsy ampy taona voafonja .Ny volana janoary 2018 no hafindra ao amin’ity fotodrafitrasa vaovao ity ireo gadra lehilahy. Anisan’ny fonja manaraka ny fenitra takian’ny fepetra rehetra ity fonja eto Moramanga ity, hoy ny talem-paritry ny fandraharahana ny fonja Alaotra Mangoro Andriamatoa Laihambana Zacharie nandritra ny fitsidihana natao izay nifanindry tamin’ity andron’ny 28 desambra 2017 ity.
CATHY