- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanendaka maty voatifitry ny UIR

Toamasina : Mpanendaka maty voatifitry ny UIR

Efa nilaza hatrany ny polisy sy ny mpitandro ny filaminana hafa fa tsy misy fandeferana ho an’ireo andian-jiolahy sy ireo zatra nampahory vahoaka tamin’ny fametrahana tsy filaminana, indrindra ny vaky trano sy ny fanendahana ary ny sinto-mahery. Hentitra ny baiko azon’ireo mpitandro ny filaminana taloha sy tao anatiny ary amin’izao taona vaovao izao mikasika ity fametrahana filaminam-bahoaka ity eto Toamasina. Vokatr’izay dia mpanendaka iray avy nanao ny asa ratsy fanendahana teo amin’ny “gare routière” mianatsimon’i Toamasina, tao Ambolomadinika, no maty voatifitry ny polisin’ny UIR, na “Unite d’Intevetion Rapide”, ao min’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra, ny alahady maraina be tokony tamin’ny 04ora teo. Raha ny fanazavana azo dia efa-dahy izy ireo no nanao ity fanendahana ity ary tratra ambodiomby nanendaka olona, nefa raha nasain’ny polisy nijanona tao anatin’ny fotoana fihodinan’izy ireo manao fisafoana ny tanàna iny indrindra, dia nitsoaka avy hatrany izy efa-dahy niaraka tamin’ireo sabatra fitondrany, ka nifanejehana hatrany Tanambao Verrerie, ka izao maty voatifitra izao no niafaran’ny iray. Tafatsoaka kosa ny namany telo. Mbola nahatrarana sakosy misy ireo zavatra avy nendahiny sy sabatra fampiasany koa izy tamin’izao nahavoatifitra azy izao. Raha ny fanazavana hatrany dia isan’ireo tarika mpanendaka eo  amin’ity fiantsonan’ny taksibrosy ao Ambolomadinika sy ao Mangarivotra atsimo ary ao Tanambao Verrerie ity mpanedaka maty voatifitra ity. Tao amin’ity fokontany Ambolomadinika sy Tanambao Verrerie ity ihany koa, tamin’ity volana desambra ity, dia olona telo no voakapan’ny famaky tamin’ny vaky trano sy fanedahana nataon’ireto andian-jiolahy mpanendaka ireto. Isan’izany ny lehiben’ny arofenitry ny faritra atsinanana izay mbola mitsabo tena ankehitriny ary mbola hita soritra ny diam-pamaky miisa telo eo amin’ny handriny sy ny ambonin’ny masony havia vokatry ny vaky trano nahazo azy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici