Tovolahy iray manodidina ny 22 taona eo? no maty voatsindrona antsy, ny alin’ny fetin’ny taom-baovao teo, tany Analamitsampy Distrikan’i Toliara II. Araka ny tati-baovao voaray, dia andiana tanora maromaro no niara-nanala azy fa fety ny andro. Rehefa tokony ho tany amin’ny 9 ora sy sasany alina tany , dia nisaraka ny rehetra ka niara-nody tamin’ny sipany ny tovolahy iray. Rehefa dify sahabo ho zato metatra teo ireto mpifankatia, dia nisy tovolahy iray voalaza fa olon-tian’ity tovovavy ity taloha tezitra niantsoantso. Nijanona ireto mpifankatia niakatr’afo raha vao naheno ny ompa sy teny ratsy tsy faseho masoandro niraradraraka. Raikitra ny fifamaliana am-bava niafara tamin’ny fifampitolomana teo amin’ireto roalahy avy eo. Tsy nahahovoka an’ilay rafilahiny ilay tovolahy nihantsy ady sipan-drazazavavy teo aloha, ka namoaka antsy ary nanindrona izany an’ity rafilahiny niady taminy. Rehefa hitany fa nitolefika nihosin-drà ity farany, dia nitsoaka ilay nahavanon-doza izay karohina fatratra amin’izao. Nentina novonjena namonjy toeram-pitsaboana haingana kosa ilay tovolahy naratra mafy, kanefa teny an-dàlana, dia tsy tana ny ainy.
Eric Manitrisa