- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Mpanendaka voatifitry ny pôlisy

Andavamamba : Mpanendaka voatifitry ny pôlisy

Jiolahy rain-dahiny amin’ny fanendahana sy fanafihana eny amin’iny faritra Andavamamba iny, no tra-tehaky ny pôlisy, ny alin’ny alarobia lasa teo. Voatifitry ity farany raha teo an-dalam-pitsoahana. Tokony ho tamin’ny valo ora alina teo ho eo, rehefa avy nanao ny asa ratsiny ka iny handeha hitsoaka iny ireto mpanendaka no tonga tampoka sy ara-potoana ireo pôlisy avy amin’ny UIR Raikitra teo ny fanenjehana sy ny fifampitifirina ka iray tamin’ireo mpanao ratsy no tsy afa-nitsoaka intsony rehefa voan’ny bala teo amin’ny tongony  havia. Araka ny fanazavana azo, dia nisy lehilahy iray handeha hamonjy fodiana ka nanakana taxi teny an-toerana no efa narahana telo lahy mitondra sabatra. Raha iny handeha hiditra anaty fiarakaretsaka iny anefa no nobedain’ilay iray avy hatrany. Tsy nanaiky izay fanendahana an-kitsirano nahazo azy izany anefa ity lehilahy ka dia nifampitana tanteraka tamin’ireo olon-dratsy. Eny fa na dia nirongo fitaovam-piadiana aza ireto farany. Sendra ny be noho  vitsy anefa  ity voaendaka ity no sady mbola voarasan’ny sabatra ny tànany ka nanaiky mora foana. Lasan’ireto olon-dratsy tamin’izany ny kitapo teny aminy. Tamin’io fotoana io, teo am-panaovana fisafoana ireo faritra mafana ireo pôlisy avy amin’ny UIR no sendra ny antso vonjin’ity lehilahy ity, ka nandray ny andraikiny avy hatrany, nanenjika ireto olon-dratsy, tamin’iny elanelan-tranon’Andavamamba iny. Ary dia izao nahasamborana ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto, izay naratra vokatry ny tifitra nahazo azy. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany sasany. Nentina notsaboina moa io mpanendaka voasambotra io ary notazonina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy nofotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici