- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Ritra ny tobin-tsolika, tafakatra 10.000 ariary ny litatra

Maroantsetra : Ritra ny tobin-tsolika, tafakatra 10.000 ariary ny litatra

Efa hatramin’ny famaranana ny taona lasa teo no tsy nisy sambo madinika tonga intsony tany Maroantsetra noho ny faharatsian’ny ranomasina nateraky ny rovo-doza AVA. Vokany, tsy misy famatsiana intsony tonga any an-toerana na enta-madinika io, na ireo lasantsy sy gazoala izay ieo sambo mpanao zotra mitatitra entana mianavaratra Toamasina ihany no mitondra azy atao anaty barika manokana. Noho io toe-javatra io sy fanararaotana ao anatin’ny rivo-doza izay oram-be sy tafiotra ny any an-toerana nanomboka ny alatsinainy teo, dia tafakatra 10.000 ariary ny litatry ny lasantsy sy gazoala ankehitriny. Milaza ny mponina azo tamin’ny antso an-telefaonina fa mety mbola hiakatra 15.000 ariary izany amin’ireo mpibizina hany mbola manana tahiry ao aminy, satria tsy hiverina ny fitaterana an-dranomasina mihazo an’i Maroantsetra raha tsy amin’ny herinandro ho avy io raha ny fanazavana azo. Tsy ny solika ihany no niakatra, fa ny vary izao dia vidina 1.000 ariary kapoaka amin’ny vary nafarana raha mahatratra 1.400 ariary ny kapoaka amin’ny vary gasy sy makalioka. Efa tsy lazaina intsony hoy ny mponina ny enta-madinika izay niaka-bidy avokoa isan’izany ny siramamy ny menaka ary ny sira. Maro noho izany ireo sambo kely nitatitra entana talohan’ny famaranana ny taona teo no tavela any an-toerana, tsy afa-mivoaka noho ny faharatsian’ny ranomasina ateraky ny rivo-doza. Isan’ny ranomasina mahery amin’ny fifamoivoizana  mantsy ny eo anelanelan’ny varatry ny nosy Sainte-Marie sy Maroantsetra araka ny fanazavan’ireo mpiantsambo mahay tsara iny zotra Toamasina Maroantsetra iny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici