Ny alatsinainy maraina lasa teo no niseho ny loza, tany Antanifotsy vokatry ny fiakaran’ny rano. Dimy mianaka, nandeha sarety no tra-doza. Rehefa tsy nahatanty ny onjan’ny rano ity sarety nentin’izy ireo dia nivadika. Lasan’ny rano kosa ireo nitaingina azy. Vokany, olona roa no maty natelin’ny rano, zazakely iray kosa no mbola tsy hita popoka hatreto. Avotra soa aman-tsara kosa ny roa tamin’ireto fianakaviana ireto. Raha ny fantatra dia handeha hamonjy tsena ireto fianakavina kely ireto tamin’io fotoana io, hivarotra vokatra. Tsy maintsy niampita tetezana anefa ny lalana. Ilay tetezana, izay dibo-drano tanteraka noho ny rotsak’orana nentin’ilay rivo-doza. Ny angom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa nampitandremana ihany ny amin’ny tsy tokony handehahany hiampita izy ireo, saingy teren’ny fitadiavana ka nanao vy very ny ainy ary dia izao niharan-doza izao.
Hatramin’ny omaly maraina, tokoa dia mbola nandrava sy namela takaitra maro teto Vakinankaratra ilay rivodoza AVA. Hatreto, araka izany, dia efa tafakatra efatra no maty ary zaza iray no tsy hita popoka vokatr’izany. Ny roa dia ireo mpandroaka sarety ireo. Ny roa hafa dia ireo mpivady maty tototry ny tany tao amin’ny fokontany Ampatana Antsirabe ny marain’ny alahady lasa teo. Maro ihany koa no rava trano teto Antsirabe sy ny manodidina, isan’izany ny nianjeran’ny trano lehibe iray misy rihana teny amin’ny fokontany Tsivatrinikamo. Nitondra takaitra ihany koa ny lisea André Resampa Antsirabe raha ny nambaran’ny “proviseur” satria efitrano fianarana miisa 6 no tsy azo ampiasana amin’izao fa nofaohin’ny rivodoza ny tafotrano.
Andry N.