“Aoka isika tsy hanararaotra ny fahoriam-bahoaka ka manana hevitra hampiakatra ny vidin’entana eny an-tsena, indrindra ny vary, satria ampy tsara ny tahirim-bary eto amintsika izao ka tsy tokony hisy hanafina sy hanararaotra izany”, izay no nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny fandalovany teto Toamasina ny sabotsy teo, nandritra ny famoriany ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny sehatra tsy miankina tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Calypso”. Tsy izany anefa ny zava-misy eny an-tsena indrindra ireo tsena tena manakaiky ny vahoaka eny amin’ny fokontany sy ny manodidina ny tananan’i Toamasina eny. Raha ny zava-nisy omaly izao, dia efa tafakatra 800 hatramin’ny 1.000 ariary ny labozia iray izay tokony hamidy 300 ariary hatramin’ny 500 ariary; ny siramamy dia lasa 4.500 ariary raha tokony ho 4.000 ariary ny kilao. Ny hena omby noho ny tsy fahatongavan’ny omby eto Toamasina ka mihanona amin’ireo omby zanatany vidiana manodidina an’i Toamasina ihany, dia tafakatra 15.000 ariary ny kilao ny mifangaro raha efa nahatratra 20.000 ariary ny nofony izay tokony ho 10.000 ariary hatramin’ny 12.000 ariary izany. Ny legioma noho ny olana ara-pitaterana sy ny rano be ao Antananarivo, dia tsy mahazo iray kilao aminy intsony ny 3.000 ariary nefa mbola ifampitadiavana izany eny an-tsena ankehitriny. Nanome baiko anefa ny filoham-pirenena teto Toamasina, fa afaka misambotra ireo mpanararaotra ny fahoriam-bahoaka ny tompon’andraiki-panjakana raha mahita, satria amin’ny vanim-potoana sarotra toy izao no tokony hifampitsinjovan’ny samy malagasy fa tsy hifanararaotra fotsiny eto.
Malala Didier
Taorian’ny rivodoza “Ava” teto Toamasina : Manararaotra mampiakatra vidin-javatra ireo mpivarotra
Articles qui pourraient vous intéresser