- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lehilahy nikasa hanolana ny vadiny, matin’ny fitsaram-bahoaka

Maevatanàna : Lehilahy nikasa hanolana ny vadiny, matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no niharan’ny fitsaram-bahoaka ny andron’ny taom-baovao teo, tetsy amin’ny fokontany Androfiamadinika, Kaominina Maevatanàna voalohany. Namoy ny ainy ity farany noho ny ratra be nahazo azy. Araka ny feo nandeha teny amin’ny manodidina, dia saika nanolana ny vadiny tao an-trano. Nanohitra mafy ilay Rtoa vadiny, ka teo no saika nanondronany antsy azy, voatery tsy maintsy niantso vonjy teo amin’ny manodidina ilay noterena hanaovana firaisana ara-nofo, ary raikitra ny fitsaram-bahoaka. Izao niafara tamin’ny toe-javatra mampalahelo izao. Tako-kenatra kely sisa no hany teny an-koditr’ity rangahy iray niharan’ny hatezeram-bahoaka ity. Vetivety teo dia nivonto be koa ireo molony vokatry ny daroka nahazo azy. Efa tady hahazo vahana indray ity fomba iray ity amin’izao, raha i Maevatanàna manokana no resahina.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici