Ankoatr’ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Ava dia mbola mitohy sy mamono olona ihany ireo lalam-pirenena eto amintsika. Omaly hariva, nandrika indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, teo avaratra kelin’Ambatolampy, teo amin’ny “pont bascule” ho an’ireo mahafantatra. Tovolahy iray manodidina ny 30 taona teo ho eo no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra tany ambanina taxi-brousse iray handeha hianatsimo ny kalesa nentiny. Ankoatr’ity tovolahy ity dia fantatra fa nisy ramatoa iray ihany koa naratra mafy tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no niseho ny loza, raha ny fanazavàna azo avy amin’ny mpitandro filaminana avy any an-toerana. Ho an’ireo efa mpindrana iny lalana iny dia samy mahafantatra avokoa fa fiakara-mideza izy iny raha hianatsimo ary fidinam-be raha hianavaratra. Fanaon’ireo mpitondra kalefa amin’iny faritra mihitsy ny mitaingina izany amin’ilay fidinam-be. Toa tsy misy tahotra sy tsy misy fisalasalana mihitsy mitangaina izany fitaterana mety hampidi-doza izany. Sendra ny patsa iray tsy omby vava ireo olona roa, nitaingina kalesa ireto tamin’io fotoana io. Notsenain’ilay taxi-brousse “sprinter” nifanena taminy mantsy izy ireo, ary tsy nijanona raha tsy tany ambanin’ity fiara mpitatitra ity. Hatreto dia tsy fantatra mazava na ahoana na ahoana no nahatonga ny loza. Ny zavatra nikitaontaona tao ambany kodiarana no nanaitra ny rehetra, dia ilay kalesa nentin’izy ireo sy ny lohan’ilay tovolahy. Vaky sy nipotsak’atidoha mihitsy moa ity farany ary tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Ilay vehivavy no afaka nitsambikina ka teo amin’ny lohany sy ny andilany no naratra raha ny fanazavàna azo hatrany. Fantatra moa fa olona mipetraka tsy lavitra eo, ao amin’ny fokontany Miadamanjaka, Manjakatompo, distrika Ambatolampy ity namoy ny ainy ity. EFa tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana nijery ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana. Notanana natao famotorana kosa ilay mpamilin’ilay taxi-brousse namoa-doza.
m.L