- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAkon’ny rivo-doza « Ava » : Nahatratra 32.065 ny traboina, fito ny...

Akon’ny rivo-doza « Ava » : Nahatratra 32.065 ny traboina, fito ny maty, telo tsy hita popoka

Dimy andro aty aorian’ny fidirana sy fandalovan’ny rivo-doza “AVA” teo anivon’ny faritra atsinanana, nivoaka ny tatitra ofisialy mikasika ny akony sy ny loza napetrany ho an’ny mponina tamin’ireo distrika nandalovany teo anivon’ny faritra Atsinanana. Raha ny tarehimarika farany eo anivon’ny prefektioran’i Toamasina dia miisa 32.065 ny traboina, ka ny 18.253 amin’izany eo anivon’ny distrikan’i Toamasina I avokoa, ny 8.445 kosa ho an’i Toamasina II, miisa 4.726 ny ao Brickaville, ary 141 kosa ny tra-boina ao Vatomandry. Tao anatin’izany dia niisa fito ireo olona maty nilatsahan’ny hazo sy nipitihan’ny fanitso ary matin’ny rano niakatra, ka ny efatra tamin’izany dia teto Toamasina renivohitra (Depot Analakininina – Tanambao verrerie – mangarano – ary Morarano), iray avy kosa ny maty tao Toamasina II sy tao Antanambao Manampontsy ary Brickaville  izay nilatsahana hazo sy trano nirodana. Miisa telo kosa ireo tsy hita popoka lasan’ny rano niakatra ka ny iray tao Mahanoro raha roa ny tao Brickaville. Tsy mbola nahazoana akony kosa hatreto ny isan’ireo efitranon-tsekoly sy ireo biraom-panjakana ary ireo toeram-pitsaboina simba nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza “AVA” iny ho an’ny faritra atsinanana, noho ny tatitra mitarazoka avy amin’ireo solon-tenam-panjakana sy ireo lehiben’ny distrika samihafa. Ankoatra izay dia nahazoana vaovao ihany koa ny akon’ny rivo-doza teo Analanjirofo tamin’ny alalan’ny lehiben’ny faritra Ramaroson Jacques. Miisa 851 ny tra-boina ka ny tao Soanierana Ivongo no nahitana tra-boina be indrindra izay miisa 285, tsy nisy afa-tsy 29 monja izany tao Fenerivo Atsinanana. Tao anatin’ny faritra Analanirofo kosa dia miisa 05 ny tranom-panjakana simba, 48 ny efitranon-tsekoly potika, efatra ny sekolim-pikambanana rava, 17 ny barazim-pambolena simba, ary 07ha ny tanimbary tototry ny rano. Efa voasangotra aloha avokoa kosa ny vary niakatra ka ireo 15% sisa tsy vita no potiky ny rivotra sy ny rano tao amin’ny faritra Analanjirofo iny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici