- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversNosy-be : Miakatra ny vidim-piainana, 2 hetsy Ariary ny gonim-bary, voatabia singany...

Nosy-be : Miakatra ny vidim-piainana, 2 hetsy Ariary ny gonim-bary, voatabia singany iray vidina Ar 1 000

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Ava, dia niakatra avokoa ny vidin’ ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainany andavanandro ao Nosy-be, ka maro ireo sahirana tsy maharaka intsony ny vidim-piainana miakatra be. Ao bazaribe Hell ville, ohatra, dia vidina 1 000 Ariary ny voatabia singany iray. Anana telo tsongo 500 Ariary. 16 000 Ariary ny kilaon’ny hen’omby. 125 000 Ariary ny gonim-bary 50 kg, raha tafakatra hatramin’ny roa hetsy Ariary izany amin’ireo toerana saro-dàlana. Ifampitadiavana any an-toerana ihany koa ny hazan-dranomasina sy ny atody. Araka ny tati-baovao voaray, dia efa miverina miasa ny fitaterana an-dranomasina izay mampitohy an’i Nosy-be sy Ankifiny Ambanja, raha nihantona nandritra ny telo andro izany noho ny fisian’ny andro ratsy.

 Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici