- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversBelobaka Tsiroanomandidy: Zandary telo voatifitry ny dahalo

Belobaka Tsiroanomandidy: Zandary telo voatifitry ny dahalo

Nisy indray ny fifandonana mahery vaika teo amina andian-dahalo am-polony maro sy ny zandarimarim-pirenena, izay tsy mikely soroka manao ny ainy tsy ho zavatra mamita ny adidiny, tany amin’iny faritra Bongolava iny. Vokany, telo tamin’ireo zandary no naratra voatifitry ny dahalo, ka anisan’izany ny lehibe nitarika azy ireo, ny Kômandan’ny borigadin’i Belobaka. Raha ny fampitam-baovao azo dia tsy misy atahorana akory ny ain’ireo mpitandro filaminana ireto ary efa samy nahazo fitsaboana avokoa izy ireo. Fa tetsy andanin’izay kosa dia nisy dahalo iray no lavo sy tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony, iray kosa no naratra saingy nentin’ny namany nitsoaka. Raha ny zava-nitranga dia nisy fanafihan-dahalo tao amin’ny kaomina Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy ny marainan’ny alakamisy lasa teo. Nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ny zandary tao amin’ny borigadin’ity kaominina ity nandeha nanenjika ireo dahalo. Tsy lasa lavitra ireto farany dia nifanena ary raikitra teo ny fifandonana. Tafatsoaka ireto malaso ireto saingy mbola nanohy ny fanarahan-dia sy ny savahao ireo mpanenjika. Mbola nitohy moa izany hatramin’ny ora nanoratana omaly hariva.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici