Anisan’ny nitondra takaitra mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Ava farany teo iny, ny tany amin’ny Distrikan’ i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana. Vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Mangoky, dia vaky ny fefilohan’ Ambahikily izay namboarina ny taona 2009, ka trano miisa 50 ravan’ny rano tanteraka, raha dobon-drano mandraka ankehitriny ny tanimbary mirefy 800 ha eo. Manoloana an’izao loza voanjanahary izao, dia manahy mafy ny mponina ao Toliara sy ny manodidina, fa ahiana indray ny mosary amin’ity taona ity, satria ny Kaominina Ambahikily no anisany sompitra mpamantsy vary ny Faritra Atsimo Andrefana. “ Ilainay tantsaha ny rano, nefa maro loatra ny rotsak’orana nentin’ny rivo-doza Ava, ka lasa nanimba zavatra maro ”, hoy ireo mpamboly.
Eric Manitrisa