Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity olon-dratsy, lehilahy izay manodidina ny 40 taona any ho any, no tra-tehaky ny mponina teny amin’iny faritra Alarobia Amboniloha iny. Na dia niezaka ny nandositra aza dia tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy tratra. Omaly tolakandro tokony ho tamin’ny roa ora teo no nisehoan’ity tranga ity. Araka ny fanazavàna azo dia nangalatra sakaosy iray, izay fantatra fa nisy vola sy solosaina fenti-tanana ity ranamana ity. Sakaosy izay tao anaty fiara tsy mataho-dalana iray, sendra nandeha mora fa tratra tao anaty fitohanana. Vantany vao azony ilay sakaosy dia nitsoaka ity farany ary avy hatrany dia nomeny ny namany hafa iray, izay efa niandry azy tany anaty fiara fitanteram-bahoaka. Niantso vonjy avy hatrany ity niharam-boina ity ary velona teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ilay naka an’ilay sakaosy tamin’ny voalohany. Efa niaka-pofona ihany ireo mponina teny an-toerana, tofoka sy leo an’ireto mivelona amin’ny tsy nisasarany ireto, ka nisy avy hatrany ny nidaroka azy. Nalaky nifona moa ity farany. Azo soa aman-tsara ihany ilay sakaosy tany amin’ilay namany nandeha fiara, izay nijanona avy hatrany rehefa nifanenjehan’ny olona. Raha ny fantatra dia efa nihaodihaody matetika teny amin’iny faritra ity lehilahy ity. Tsy mandeha irery izy, hoy ny olona, fa mazana dia miaraka maromaro. Saingy eto dia tsy fantatra intsony izay mety ho namany sy ireo mpiray tsikombakomba aminy. Fa tamin’io fotoana io dia nisy nitarika niala teo amin’ireo fokonolona vonton-katezerana izy, nilaza fa hitondra azy any amin’ny mpitandro filaminana.
m.L